Hatraiza ny fahefana?

 

Raha nanaraka akaiky ny vaovao omaly isika dia nahazo vahana ny fitokonana nataon’olon-tsotra na vondron’olona samihafa. Nitokona ny mpiasan’ny gara, nitokona ny mpivarotra amoron-dalana. Mitokona ihany koa, nanomboka omaly, ny mpiasa eny amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony. Samy manana ny antony nitokonana izy rehetra!
Ny azo ambara dia nirava ho azy avokoa aloha ireny, tsy nisy ny sakantsakana sy ny fisambotsamborana. Izay rahateo no nitolomana. Fahafahana maneho hevitra sy manao fitakiana. Mainka nanome vahana ny mpanao girevy ny fivoizana izao fahoriana sy sosialim-bahoaka izao. Amin’ izao rahateo moa izay mitaky dia mahazo avy hatrany.
Tsy misy miala, samy manao izay mahametimety azy avokoa ny olona. Ny fanjakana rahateo, hatreto, manoatra noho ny sivily saro-tahotra. Aiza no misy mpanao fitakiana mahavita manao takalonaina ny tombontsoa iraisan’ny besinimaro. Tena hoe sanatrian’ny vava mivadika ho fanjakan’ ny Baroa ny fahefana miaramila.
Tsy maintsy midrikina sy mihenjana ny mpitondra raha tiana hisy izany fanavaozana izany. Izao no fotoana mahamety azy. Feno ny fepetra takin’ny hodidina misy. Ny Tafi-bahoaka samirery no afaka manery na raha ilaina aza mametraka ny “JADONA” ho fampanjakana ny tany tan-dalàna sy ho sarotiny amin’ny fitsipi-pifehezana sy ny fitsipi-pitondrantena.
Mitazam-potsiny avokoa anefa ny tomponandraikitra amin’ny hafitsok’ireo mitady hampanjaka ny gaboraraka. Ny fanjakana indray no toa mandray baiko sy manatanteraka ny filam-boatsiarin’ny olona mbola baikoin’ny fitiavan-tena. Tena mampiteny ny moana ny fihemoran’ny fiarahamonina, ankehitriny.
Mampisalasala ilay fiovana sadasada. Manahirana ny miatrika ny toe-javamisy eny ifotony. Mandry an-driran’ antsy ny isam-batan’olona. Toa zavatra hafa no manahi­rana ny ankamaroan’ireo “ naka” fahefana.

r.r

Partager sur: