Nanomboka omaly, teny amin’ny Kianja Ambohidratrimo, ny andro voalohany amin’ny “Poule des As”, fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, sokajy D2. Fifaninanana hiadian’ireo ekipa efatra tafavoaka tamin’ ny fifanintsanana isam-bondrona. Tsara fanombohana ny ekipan’ny Clinique Zanatany avy any Sofia. Resiny, tamin’ny isa mazava 5 no ho 2, ny ekipan’ny CosPN Analamanga. Mitarika vonjimaika, araka izany, izy ireo satria nisaraka ady sahala samy tsy nisy nitoko ny fihaonana teo amin’ny Antimo Record Atsimo Andrefana sy ny TGBC Academy Atsinanana.
Hitohy amin’ny zoma ho avy izao ny andro faharoa ka hifanandrina, amin’ny 10 ora maraina, ny Clinique Zanatany Sofia sy ny TGBC Academy. Ny ekipan’ny polisim-pirenena kosa hifandona amin’ ny Antimo Record Atsimo Andrefana. Hanana ny lanjany goavana ity andro faharoa ity satria mety efa hamaritra izay ho tompondaka mialoha ny fotoana. Tsiahivina fa ny alahady ho avy izao no andro farany, ka hidona ny CosPN sy ny TGBC Academy ary ny Antimo Record sy ny Clinique Zanatany. Marihina fa efa samy tafita any amin’ny “Pureplay Football (PFL)”, avokoa ireto ekipa efatra ireto amin’ity taom-pilalaovana 2025 – 2026 ity. Ny PFL izay hanomboka amin’ny alahady 21 desambra ho avy izao, raha tsy misy indray ny fiovana.
Tompondaka




