Baolina kitra – “CAN 2025” : Nahazo “prize money” 7 tapitrisa dolara i Sénégal

Nikatona tanteraka ny andiany faha-36 amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena, taranja baolina kitra (Can 2025). Voahosotra ho tompondaka ny Lionan’i Teranga, Sénégal. Ankoatra izay, nahazo “prize money”, mitentina 7 tapitrisa dolara avy amin’ny Kaonfederasionina afrikanina (Caf) ny delegasionin’izy ireo.

Samy nahazo ny anjarany daholo ihany koa ireo ekipa 24 niatrika ny fifaninanana, tamin’ity.
Niverina eo am-pelanta­nan’ny Lionan’i Teranga, Sé­né­gal, indray ny anarana maha tompondakan’i Afrika ho an’ny ekipam-pirenena, ta­ranja baolina kitra (Can 2025). Raha tsiahivina, fanindroany izao no nahazoany izany, taorian’ny taona 2021. Ny ala­hady lasa teo, resin’i Sénégal, tamin’ny isa tokana 1 no ho 0, teo anoloan’ny mpijery azy sy tao an-jaridaina filalaovany, ny Lio­nan’i Atlas Maroc. Fiha­onana notanterahina tao amin’ny Kianja Prince Moulay Abde­llah Stadium, tao Rabat Ma­roc. Baolina nampidirin’i Pape Gueye, teo amin’ny mi­nitra faha-94 amin’ny fanalavam-potoana. Tsy nampoizin’ ireo ma­raokanina an-tapitri­sany nijery mivantana sy na­naraka izany tamin’ny fahitalavitra ny vokatra.
Ankoatra ny amboara sy ny medaly volamena azon’ny Lionan’i Teranga, nahazo lelavola, “prize money”, mitentina 7 tapitrisa dolara na 6,03 tapitrisa euros, eo amin’ny 31 200 000 000 Ariary eo ny ekipam-pirenena senegaley. Nahazo 4 tapitrisa dolara kosa ny Lionan’i Atlas Maroc. Samy no­to­lorana 2,5 tapitrisa kosa ny Voromaherin’i Nigeria sy ny Faraonan’i Egypta, resy teo amin’ny manasa-dalana. 1,3 ta­­pitrisa ny an’ireo tonga teo amin’ny ampahefa-dalana, dia ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, ny Voromaherin’i Mali, ny Fen­necs Algérie ary ny Liona tsy voafolak’i Cameroun. 1 tapi­trisa dolara avy ny an’i RD Congo, Mozambique, Afrika Atsimo, Tanzanie, Tunisie, Sou­dan, Burkina Faso ary i Bénin, izay niatrika ny ampahavalon-dalana. 500 000 do­lara avy kosa ny an’ireo nia­trika ny fihodinana voalohany.
Ankoatra izay, voahosotra ho mpilalao mendrika nan­dritra ny Can 2025, ilay senegaley, i Sadio Mané. Naha­ta­fiditra baolina be indrindra ilay maraokanina, i Brahim Diaz, nahafaty baolina 5. Mbola ma­raokanina ihany koa ny mpi­andry tsatoby mendrika, dia i Bono.

Tompondaka

Partager sur: