Taorian’Ambositra sy Fianarantsoa dia i Morondava no distrika fahatelo misitraka Tanin-ketsa Indostrialy amin’ny alalan’ireo fitaovana nafarana hananganana indostria madinika miisa 75 manerana an’i Madagasikara, tato anatin’ny telo herinandro izao.
Milina fanodinana voanjo ho lasa menaka no naterin’ny minisitra misahana ny indostria tany an-toerana ny faran’ ny herinandro teo noho iny faritra Menabe iny mpamokatra voanjo betsaka.
Mahatratra any amin’ny 10 000 t isan-taona ny voanjo mivoaka any amin’ny faritra Menabe izay misy distrika dimy, Belo sur Tsiribihina no voalohany amin’izany. “Tsy indostria lehibe na mijoalajoala fa orinasa isaky ny distrika dia samy hamokatra. Hapetrantsika ny milina hanodinana ny vokatra”, hoy ny minisitra Razafindravahy Edgard raha nilaza fa tsy hisy distrika ho hadino. “Tsy ho sarotra, tsotra ny fitantanana ny milina mpanodina voanjo toy izao”, hoy ihany ny minisitra. Ahoana ny vidin’ny menaka aorian’izay ?
Ho tombontsoan’ny rehetra ny fametrahana ny Tanin-ketsa Indostrialy amin’ny alalan’ny tetikasa Odof, satria tsy hisy matiantoka. Hanana ny hasiny koa ny tantsaha amin’izany raha sady mamokatra no misy milina hanodina ny vokatra..
Nanaovana Antso ho an’ny tetikasa (Appel à projet) ho an’ireo mpandraharaha zanaky ny faritra vonona ny hitantana ny Indostria fanodinana voanjo ho lasa menaka ao Morondava. Toy ny tany amin’ny faritra hafa, hijoro ny Vaomiera handinika ny atontan-taratasy mifaninana voaray. Aorian’izany, hatao ny Fifanekena eo amin’ny telo tonta : ny minisiteran’ny Indostria, varotra sy ny fanjifana (MICC), ny Vovonan’ny mpamboly voanjo ary ny mpandraharaha voafantina. Hidina ny teknisianin’ny kaoperativan’ny minisitera hanome fanofanana hahafahan’ny orinasa mihodina tsara.
Fanamboarana siramamy
Nampahatsiahivin’ny minisitera tamin’ny mponin’i Morondava koa ny fisian’ny Tetikasa mitsinjo lavitra, hananganana indostria fanamboarana siramamy ao Morondava toy ny any Vatomandry, samy hamokatra siramamy 80 000 t isan-taona avy. Miangavy mba mila faharetana kely amin’izany satria mandalo dingana maromaro ny fanatanterahana ny tetikasa. Noezahana ny hanampiana ny tantsaha amin’ny fambolena fary mba ho ampy hampandeha ny orinasa ny akora fototra. Ny tsy hanafarana vokatra avy any ivelany moa no tena tanjona.
Ndrina