Hiverina hiakatra kianja indray ireo ekipa 12, hiady ny ho tompondakam-pirenena taranja rugby XXL Top 12. Lalao telo no voalahatra ka adin’ny samy kartie ny roa raha kartie sy boaty ny iray. Hangotraka avokoa ny fifandonana ka anisan’ny hisongadina ny fihaonan’ny TFA Anatihazo sy ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra).
Hitohy rahampitso, etsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny andro fahefatra hiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja rugby XXL Top 12. Fihaonana efatra no voalahatra amin’izany ka anisan’ny hisongadina ny an’ny TFMA Ankasina (Boaikely manohitra) sy ny TFA Anatihazo (Pilo kely). Donan’ny samy kartie ireo ka hiendrika famaranana kely. Tsy vao izao akory no hifanandrina ny roa tonta fa efa diso mifankahalala tsara. Samy manana ny teknikany sy ny fahaizany ny andaniny sy ny ankilany. Na izany aza, mitovitovy fomba filalao ny roa tonta. Samy mampiasa ny “trois quart aile” saingy manantombo ao anaty tosika ny Anatihazo. Raha ny fihaonan’ ny roa tonta farany, hanala vela amin’ity ny Boaikely manohitra.
Ankoatra izay, mbola ady tsy vita koa ny an’ny USA Ankadifotsy (Maitso kely) sy ny Mang’Arts Manjakaray. Hahaliana ny rehetra ny hanaraka ny lalaon’izy ireo. Fihaonana tsy mpiseho matetika mantsy. Raha ny tombana aloha manantombo amin’ny traikefa sy ny fahazarana lalao goavana ny Ankady, hahita ireo mpilalao matanjaka sy mailaka tarihin’i Poune sy Rahery. Ny Mang’Arts koa manana ireo mpilalao tanora sy mailaka ka ho resy izay diso paika, amin’ity.
Hifampitady ihany koa ny Tam Anosibe sy ny Uscar (Kaominina Antananarivo Renivohitra). Lalaon’ny Boaty sy ny kartie. Ekipa diso mifankahalala tsara ka tsy hifampikoso-maso, amin’ity indray mitoraka ity. Mila mitady fandresena ny ekipan’ny kaominina raha te ho tsara toerana. Etsy ankilany, hanamafy ny fahombiazana efa azony hatramin’izay ry zareo Anosibe. Hanokatra ny fihaonana ny an’ny sokajy Diviziona 1, vehivavy. Hikatroka ny RCTS Soavimasoandro sy ny FTM Manjakaray.
Tompondaka




