Manome lanja ny lafiny serasera ny ligin’Analamanga, taranja basikety, tarihan-dRatovojanahary Haingo Mampionona. Nisy, araka izany, ny dinika sy fiarahana nitady izay hahafahana mampandroso ny ligy, amin’ny alalan’ny haino vaky jery. Nifanankalo hevitra ny andaniny sy ankilany ary nisy ny hevitra maro nivoitra. Ny hampiakarana ny fahafantaran’ny olona ny hetsika karakarain’ny ligin’ Analamanga no tena tanjona ka samy naneho ny fahavononany ny roa tonta. Anisan’ny antoka iray mampandeha ny fitantanana fikambanana iray ny fahaizana mifanerasera amin’ny mpisehatra matihanina amin’ny serasera ka hafaliana ho an’ny ligin’Analamanga ny nahazoana izao fanararaotra hahafahana miara-miasa amin’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena izao.
Mi.Raz




