Randy Donny sy Fy nahazo ny “Commandeur”. Faly Ran, Holy Danielle ary Zo ny Aina notolorana ny “Officier” ary i Joachin Mickaël sy Damy Govina nomena ny “Chevalier”.
Mariboninahitry ny kanto, ny Teny ary ny Kolontsaina ireo, izay nomen’ny fitondram-panjakana ireo mpanao gazety mikirakira ny vaovaon’ny kolontsaina, mivondrona ao amin’ny fikambanana Sorakanto. Fotoan-dehibe ny omaly, tetsy amin’ny Havoria Anosy, satria nahazo ny fankasitrahana tandrify azy ireo mpanao gazety, izay sady mpisehatra anatin’ny tontolon’ny kolontsaina ihany koa. Telo amin’ireo no mpanao gazety eto amin’ ny vondrona Ultima Media: Holy Danielle sy Joachin Michaël ao amin’ny Les Nouvelles ary i Zo ny Aina ato amin’ny gazety Taratra.
Tsy ny mpanao gazety ihany, fa nahazo ny mari-boninahitra ihany koa ireo mpikaraka hetsika sy fampisehoana, mivondrona anatin’ny sendika (Synops). Na samy manana ny hanitra ho azy, nampiarahana ny fanomezana ny mariboninahitra noho izy ireo samy mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny zavakanto, ary mifameno amin’ny asa. Ankoatra ny anomezana ny mariboninahitra sy ny fankasitrahana noho ny asa vita, nampita hafatra tamin’ireo mpisehatra ny minisitry ny Kolontsaina sy ny serasera, Mandrindrarivony Ogascar Fenosoa: “Tsy manery, fa maniry… Maniry anareo hanao ny asanareo anatin’ny fanajana ny soatoavina malagasy”, hoy izy.
Samy nanasongadina ny fanamafisana ny maha matihanina amin’ny asa, na ny kabarin’ny filohan’ny Sorakanto na ny an’ny sekretera jeneralin’ny Synops. Namaly avy hatrany koa ny minisitra: “Manana Sorakanto sy Synops ianareo ao anaty fitondram-panjakana”. Mazava izay fa samy hiroso amin’ny tetikasa novolavolaina ny rehetra. Ny mahakasika ny “licence”, maha matihanina ho an’ny mpikarakara hetsika sy fampisehoana no akaiky indrindra.
Randria




