Raikitra fa hisy ny «Santatra Fiderana 2026». Hotanterahina rahampitso ny taom-pitoriana 2026 ho an’ny Tanora Masina Itaosy. Ao amin’ny fiangonana FLM Ambohimasina Itaosy ihany no hanatanterahina izany. Hanomboka amin’ny 2 ora sy sasany ny fandaharam-potoana. Nanome toky ity antoko mpihira ity fa « hafana avy hatrany ity santatra fitoriana an-kira » ity.
Hitodi-doha any Vakinankaratra indray ny Tanora Masina Itaosy, ny sabotsy 28 marsa izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany tolakandro. Hanatanteraka ny «Santatra Tafika Masina an-kira 2026 » ao amin’ny fiangonana FLM Antsirabe Antampon-tanàna. Ho an’ny eto an-dRenivohitra, ny alahady 8 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany. Hanatanteraka ny « Hiara-hidera » ao amin’ny FLM Anosibe ity antoko mpihira avy ao Ambohimasina Itaosy ity.
Marihina fa eo amin’ny tontolon’ny hira fiderana ny Tanora Masina Itaosy no anisan’ny nahavita fampisehoana maro indrindra tao anatin’iny taom-pitoriana 2025 iny. Faritra maro teto Madagasikara no nandehanany. Raha ny fangatahan’ny mpijery maro tamin’iny taona nivalona iny. Tohizana amin’ity taona 2026 ity io fitetezam-paritra io.
HaRy Razafindrakoto




