Printsy Rakotomalala Louis de Gonzague: “Ny fandalana ny Satam-pirenena no vahaolana”

Miverimberina hatrany ny olana mianjady amin’ny firenena. Vitsy ihany, anefa, ireo mitady vahaolana ivelan’ny politika. Milaza ny heviny momba izany ny Printsy Rakotomalala Louis de Gonzague.

Gazety Taratra (*): Mi­aina ao anatina olana na krizy miverimbarina i Mada­ga­si­kara. Amin’ny maha mpandala ny fomban-dra­zana sy ny maha Malagasy anao. Inona no mety mahatonga izany?

Printsy  Rakotomalala Louis de Gonzague (-): Tsy mahagaga raha toa ka miaina anaty krizy miverimberina izay mitarika fahantrana lalim-paka ny Malagasy noho isika tsy nanoa intsony ny “Satam-pirenena” izay mifototra betsaka amin’ny fandalana ny fahamarinana. Tsy fomban-drazana tongatonga ho azy ny niandohan’ny “Soatoavina malagasy” fa misy hevitra lalina dia lalina fonosiny izay mirakitra fahendrena ara-panahy niteraka finoana sy fanao ary fomban-drazana raikitra dia ny “fanahy no Olona”.

* Inona marina moa ity antsoina hoe “Satam-pirenena” ity? Ahoana ny fomba fiasan’izany?

– Ilay toetra maha Mala­gasy nolovaina tamin’ireo razana toy ny fandalan’izy ireo ny fahamarinana, ny firaisankina, ny fihavanana, sns. Io no antsoina hoe: “Satam-pire­nena”. Ilay fanahy no Olona, toetram-pirenena nifandovana mampiseho ny toetra sy ny tarigetram-pirenena, hampahatsiaro tena eo amin’ny fiainana. Mampiposaka ny anjara masoandron’ireo faraman­dimby. Ny fahatanterahan’ izany no hitarika fahazavan-tsaina, hanentana ho any amin’ny hambompom-pire­nena, hampifoha ireo tanora malagasy. Ho mora kokoa ny hisehoan’ilay hasim-panahy izay ho fanasoavana ny mpiara-belona tsy ankanavaka rehefa miverina manoa ilay “Satam-pirenena” isika Mala­gasy.

* Manao ahoana ny ankehitriny sy ny tokony hiatrehina ny hoavy raha ny satam-pirenena no hiaingana?

– Mahatsiaro tena, ankehitriny, ny Malagasy fa tonga ny fotoana tokony hiarovana sy hiainana ary hivelomana araka ny satam-pirenena mala­gasy izay miorina amin’ny fahendrena malagasy: finoana sy fahalalana an’Andria­ma­nitra (Zanahary), ny fanahy no olona, ny fanajana ny Masina (Razana), ny fitiavan-tanindrazana, ny tahotra ny tsiny, ny tody ary ny fitandremana ny fady.

Nanangona: HaRy Razafindrakoto

Partager sur: