Volana febroary : Nihemotra ny « Asaramanitra bagasy »

Raha ny sabotsy 7 febro­ary izao no fantatra fa saika hanatanterahana ny « Asa­ramanitra bagasy », fantatra, omaly, fa hahemotra ny tolakandron’ny sabotsy 14 fe­broary ity hetsika fanaon’ny Se­hatra Bagasy isaky ny mi­santatra ny taona vaovao ity. Tsy miova ny toerana fa ao amin’ny efitrano malalaky ny trano fiantohana Aro, etsy Antsa­havola ihany. Hano­mboka amin’ny 2 ora sy sa­sany, hanana endrika fifampiarahabana nahatratrarana ny taona 2026 ny « Asarama­nitra bagasy ».
Sehatra Bagasy, vondrona ikambanan’ireo mpiangaly, mpitia, mpikajy, mpamelona, sns, ny bagasy. Tsy ho latsa-danja amin’ireo hetsika efa notanterahina hatramin’izay ny « Asaramanitra bagasy » 2026. Holaroina hira hataon’ ny tarika, mpikambana, mpanakanto, mpihira, mpisitraka… ny tolakandro manontolo.
Marihina fa anisan’ny se­hatra lehibe ifanenana sy ifanakalozana eo amin’ny ton­tolon’ny bagasy ny Sehatra Bagasy. Ao anatin’ny taona iray, omena vahana sy lanja lehibe ny fifanakalozana (mpihira samy mpihira, mpitendry samy mpitendry, mpihira sy mpitendry, sns). Tombony lehibe ho an’ny ankizy sy ta­nora ny fananana ny Sehatra Ba­gasy raha ny nahitana azy hatramin’izay, satria, matetika ireo mpanakanto efa manana traikefa matanjaka no mizara izany amina hetsika tahaka izao.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: