Nahazo ny mariboninahitry ny kanto, ny soratra ary ny kolontsaina ireo mpisehatra amin’ny zavakanto sy ny kolontsaina ao Vakinankaratra, ny sabotsy teo. 15 nakarina eo amin’ny laharan’ny « Commandeur », 16 nahazo ny « Officier » ary 23 kosa nomena ny « Chevalier ». Nahitana mpanakanto mpanao mozika, mpanao hosodoko, mpanoratra, mpikabary,sns, izy ireo. Nandritra ny fotoana nandalovan’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina tany an-toerana no nanatanterahana izany, tafiditra anatin’ny ezaka famerenana
amin’ny hasiny ny kolontsaina malagasy.
Efa any Inde ireo Malagasy mpanakanto handray anjara amin’ny hetsika « Surajkund International Crafts Mela ». Miendrika foaraben’ny kolontsaina izay misy fifanakalozana amin’ireo firenen-kafa izany, mandritra ny roa herinandro. Mpanakanto miisa 13, ahitana mpihira, mpitendry ary mpandihy no lasa nisolo tena an’i Madagasikara any. Rindran-tseho efa voaomana no entin’izy ireo, haseho mandritra ny andro maromaro. Marihina fa avy ao amin’ny Akademiam-pirenena misahana ny zavakanto sy ny kolontsaina izy ireo, ary efa mpandray anjara isan-taona amin’ity hetsika ity isika.
Hahemotra amin’ny alahady 8 febroary izao indray ilay ady hiragasy saika natao ny alahady teo, tetsy aminn’ny Kianja Ra-Petit Ampefiloha. Saika nifanandrinan’ny tarika Rasoalalao Kavia avy any Ampahimanga sy ry Rasamoelson avy any Andohavary izy ity. Noho ny fisian’ny rivodoza no nanafoanana sy nanemorana izany. Nisy ihany ireo mpankafy hiragasy tsy nahalala ny fiovan’ny fandaharam-potoana, ka tonga teny Ampefiloha.




