Fifidianana ho filoha – FMA : Ligy telo tsy nahazo taratasy fahazoana mifidy

Mitranga sahady ny olana, mialoha ny fifidianana izay ho filoha hitantana ny Federasionina malagasin’ny atletisma (FMA). Misy ireo filohana ligim-paritra tsy mbola nahazo taratasy fiantsoana handatsa-bato. Manoloana izany, manangam-peo ireo avy amin’ny seksionina Antananarivo Renivohitra sy Ambohidratrimo mitaky ny hahazoan’ny filohan’ny ligin’Analamanga, handatsa-bato satria voafidy ara-dalàna.

Telo andro mialoha ny fifidianana ny ho filoha hi­tantana ny Federasio­nina malagasin’ny atletisma (FMA), misy ireo filohan’ny ligim-paritra tsy mbola nahazo taratasy fiantsoana handatsa-bato. Io no nambaran’ny mpikambana eo anivon’ny seksionina Antananarivo Renivohitra sy Ambohidratrimo, nihaona tamin’ny mpanao gazety tetsy amin’ny Kianja Alarobia, omaly. Raha tsiahivina, hotanterahina eto Antananarivo,
ny sabotsy 7 febroary ho avy izao, izany fifidianana izany. Nitondra ny tenin’izy ireo Raherison Philippe, tale teknikam-paritry ny seksionina Ambohidratrimo. “Maha­va­riana anay ary mampametra-panontaniana fa telo andro mialoha ny fandatsaham-bato, tsy mbola nahazo taratasy fiantsoana amin’izany ny filohan’ny ligin’Analamanga sy Boeny ary Amoron’i Mania”, hoy izy. Nomarihiny fa raha ny lalàna, 14 andro mialoha ny fifidianana no tokony ho efa eny an-tanan’ny filohan’ny ligy ny fiantsoana. Ankoatra izay, nitondrany fanazavana koa ny amin’ny fifidianana nitranga tany Ambohidratrimo, izay nisian’ny disadisa saingy efa nilamina ka rehefa lany ny filohan’ny ligin’Analamanga, nandefa taratasy indray ny federasionina fa tsy afaka mifidy, nefa nankatoavin’ny minisi­tera. Ny taratasy fahazoan-dalàna miasa avy amin’ny minisitera “conformité” efa azon-dRazafimandimby Roger, mpitanana vaovao, ny ligin’Analamanga. Tsiahivina fa kandidà telo mianadahy mianaka no hifaninana ho filohan’ny FMA amin’ity. Raheri­son Dominique, filoha nivoaka. Eo koa Andriamahazo Norolalao, efa filohan’ny federasiona teo aloha ary i Maha­tana Jean de La Croix, atleta fahiny sady mpanazatra ny ekipam-pirenena.

Tompondaka

Partager sur: