Andrasana ny fahatongavan’ny filohan’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa), Gianni Infantino, eto Madagasikara, hitokana ilay ivontoerana any Carion.
Araka ny fanadihadiana natao tamin’ny loharanom-baovao iray, omaly, fantatra fa efa vita amin’ny ankapobeny ny ivontoerana any Carion, ka ny fitokanana azy sisa andrasana. Ny filohan’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa), Gianni Infantino no hitokana izany raha tsy misy ny fiovana farany.
Hatramin’ny nanoratanay omaly, tsy mbola misy resaka na fanambarana ofisialy milaza ny daty hahatongavany eto Madagasikara.
Ny volana desambra lasa teo, tetsy Isoraka, no nilaza ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra fa ny janoary, efa lasa, no ho tonga eto Madagasikara ity mpitantana ny Fifa ity.
Hatramin’ny omaly, tsy mbola nisy ny vaovao mahakasika izany. Mipetraka ny baraingo amin’ny mpankafy hoe : “tena ho tonga eto Madagasikara marina ve ny filohan’ny Fifa ?” sy ny hoe : “oviana ihany ny ho avy eto an-tanindrazana izy?” Andrasan’ny maro, araka izany, ny tohin’ny raharaha.
Ampahafantarina ihany koa fa ankoatra ny fitokanana ny ivontoerana any Carion, ho avy hanova ny sata mifehy ny FMF koa i Gianni Infantino. Ny taona 2019, tonga nitsidika farany an’i Madagasikara ny tenany. Marihina fa any Carion no hipetraka ireo mpilalao zandriny manan-talenta amin’ny tetikasa TDS. Tanjona ny hanaovan’ny Barea zandriny ny Can U17 amin’ity taona ity.
F.R




