Araka ny fikarohana natao omaly, tao anaty tambajotran-tserasera, manatanteraka fitsidihana eto Madagasikara ny iraky ny Fifa : i Raul Chipenda sy Etianne Sockeng. Efa nanomboka ny 4 febroary teo izany ary tsy hifarana raha tsy amin’ny 9 febroary ho avy izao. Nanatrika izany ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred sy ireo mpiara-miasa aminy.
Hotanterahina anio, ny fifidianana eo anivon’ny Asief (Association sportive interministérielle pour l’entretien des fonctionnaires), ho an’ny efa-taona manaraka. Tsy mbola fantatra, hatreto, ny kandidà nirotsaka ary tsy naharenesana vaovao ihany koa ny mahakasika ny fandaharam-potoana sy ny toerana hanatanterahana ity fifidianana ity, ao anatin’ny fahanginana tanteraka.
Hanomboka amin’ity faran’ny herinandro ity ny fiadiana ny ho tompondakan’Analamanga, taranja volley-ball, ho an’ny taom-pilalaovana 2026. Lalao 8 avy hatrany no hitranga, ka eny amin’ny Kianjan’i Betongolo sy Itaosy no hanaovana ireo lalao. Hanomboka amin’ny 8 ora ny fifaninanana, anisan’ny hifanandrina, amin’izany, ny ekipan’ny VBCD sy ny SDV ary ny Afa sy ny Esca.




