Hafana vay ny etsy Alarobia, anio, amin’ny fiatrehana ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasionina malagasin’ny atletisma (FMA). Ligy telo mantsy tsy nahazo fiantsoana hifidy ka milaza ny tsy hanaiky hatramin’ny farany fa hitaky ny zony. Mandrangaranga ny fampiharana ny lalàna kosa ny federasionina sy ny kaomity Olympika malagasy (KOM) ary ny minisiteran’ny Fanatanjahantena.
Hangotraka ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasionina malagasin’ny atletisma (FMA) atao anio, etsy Alarobia. Miziriziry ary milaza hitaky ny zony handatsa-bato mantsy ny filohan’ ny ligin’Analamanga sy Boeny ary Amoron’i Mania. Nampiantso mpanao gazety izy ireo, omaly, tetsy Ambohijatovo ary nilaza fa tsy manara-dalàna ny federasionina ka manakana amin’ny fomba rehetra tsy hahazoan’izy ireo mandatsa-bato. Razafimandimby Roger, mpitantana an’ Analamanga, nanambara fa efa vita ary nanara-dalàna ny an’ny seksionina nandany azy, saingy navadiky ny federasionina fa nisy tsy tomombana tao ka izay ny antony tsy hamelana azy hifidy, anio. “Avy ao amin’ny minisiteran’ny Fanatanjahantena izahay izao (omaly io), ary nihaino anay tao ny talen’ny kabinetra saingy tsy nanome valiny fa ny teny azonay dia hoe hojerena anio sabotsy ary izy ireo dia mpanara-maso sy mampandeha ny fifidianana fotsiny”, hoy izy. Nilaza kosa Rasoambolanjara Emeline, filohan’ny ligin’i Boeny, fa tsy nisy mpifaninana izy ary nandresy tamin’ny isam-bato 2 no ho 0. Fifidianana natao ny 14 janoary lasa teo. Taorian’io, nahazo filazana avy amin’ny federasionina fa tsy manan-kery ny fifidianana natao satria tsy nampahafantatra ny daty nanaovana ny fifidianana ka averina sady tsy nisy solontenan’ny federasionina nanatrika. “Efa nanome daty ny federasionina fa 14 – 16 janoary ary ny fahadisoana avy amin-dry zareo ny tsy fahatongavany noho ny tahotra ny Mpox ka tsy misy fahadisoanay”, hoy i Emeline. Tsy fantatra kosa ny antony ho an’ Amoron’i Mania fa tsy nahazo fiantsoana fotsiny izy ireo, Nizotra ara-dalàna ary vita soa aman-tsara nefa ny fifidianana tany aminy.
Tompondaka




