Vaovao tsara ho an’ny kitra malagasy! Nalain’ny klioban’ ny BFC Preussen Berlin, klioba divizionina fahefatra ao Allemagne, i Kanto Fitiavana Voahariniaina na i Bolo, Malagasy mpilalao, araka ny vaovao hita tao anaty tambajotran-tseraseran’izy ireo, afakomaly. Manana ny lazany ao amin’ny renivohitr’i Allemagne ity ekipa hilalaovan’i Bolo ity. Araka ny fikarohana natao, mipetraka eo amin’ny laharana fahasivy amin’ilay fifanintsanana any an-toerana ny BFC Preussen.
Hifanandrina amin’ny kliobany taloha, Hertha 03 Zelhendorf, laharana farany amin’ity fifaninanana ity, izany i Bolo. Fanamby goavana ho an’ity Malagasy milaravinahitra any Allemagne ity izao filalaovana amin’ny klioba hafa izao. Tsara ny mampahatsiahy fa 28 taona izao i Bolo, ary efa nahatafiditra baolina enina tao anatin’ity fifaninanana ity, fony izy tao amin’ny Hertha 03. Efa tafiditra tao anatin’ireo mpilalao 11 tsara indrindra ny fifaninanana tao Allemagne, divizionina fahefatra ihany koa izy.
Fitia Randria




