SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina anio, eny amin’ny Ininfra Alarobia, ny fifidianana izay ho filohan’ny Fede­ra­sionina malagasin’ny taranja atletisma (FMA). Kandidà miisa telo no hifanintsana, ary 14 ny ligy ara-dalàna afaka hanatrika ny fifidianana. Anisan’ireo kandidà mbola mirotsaka ho filoha moa ny mpitantana ny Fede­rasionina farany teo, Raherison Dominique.

Hotontosaina rahampitso, etsy Iavoloha, amin’ny 12 ora atoandro, ny lalao hihaonan’ny AS Ste Anne sy ny Disciples FC Vakinankaratra. Fifanan­dri­nana izay tafiditra anatin’ny andro fahadimy, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League” (PFL). Ankoatra izay, hatao rahampitso, etsy By-pass, ny fihaonan’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Elgeco Plus.

Laharana faha-7 eto Afrika ary faha-53 maneran-tany, i Madagasikara, eo amin’ny taranja basket-ball, lalaovin’olona 3, araka ny filaharana navoakan’ny Fiba, omaly. Ny fandresen’i Madagasikara tamin’ny “Africa Cup 3×3” farany teo no nampiakatra izao filaharana izao. Mbola fitaratra ho an’ny mpilalao aty Afrika, hatreto, i Christiane Jaofera sy Randriamampionona Elly, izay samy voahosotra ho mpilalao mendrika, nandritra iny “Africa Cup 3×3” farany teo iny.

Partager sur: