DAKA AN-JORONY: Ny hazo no mijoro dia ny fakany

Ao anatin’ny fanavaozana ny mpitantana ao aminy ankehitriny ireo taranja isanisany. Nisy ny efa nahavita ny azy, fa ao kosa ireo vao hiatrika izany. Raha ny zava-misy eo ani­von’ny federasionina, nametraka fiovana ireo ligim-paritra. Midika izany fa te hivoatra any amin’ny tsaratsara kokoa. Ny fiovana, tsy midika fa tsy nahavita nampandroso ny teo aloha saingy fanatsarana no takina. Ny hazo tokoa manko no
mijoro, ny fakany. Ny trano no mijoalajoala, ny fotony. Amin’ ny zava-drehetra, ny fototra no hiaingana sy hahazoam-bokany. Rehefa ratsy ny fotony, tsy maharitra ny rindrina hajoro ary vetivety dia rava ny trano. Na izany aza, raha tsy hitsanga tsy hahay anefa aleo misonenika am-pitoerana. Raha hitsingilahila famindra, aleo mitorevaka homem-boninahitra. Misy amin’ireo voafidy no olona efa nitondra teo aloha ary tafaverina indray. Tsy olona vao atoro fa toy ny goaika tsy hatoro tanim-boanjo. Ny hazo mantsy no mijoro, ny fakany ary ny trano mijoalajoala, ny fotony. Toerana hiasana ny fitondrana ny federasionina, fa fitadiavam-boninahitra na dera sy laza. Koa aoka tsy hanao toy ny goaika maneno am-pani­dinana, ka mampidera feo eny an-danitra. Arahabaina, ianareo voafidy na izay vao hitantana na ireo efa nitondra ka hanamafy izany indray amin’ity. Hitondra aim-baovao sy haitarika ho an’ny taranja iasanareo anie ianareo ka fary tsy laitram-positra, ho akotry tsy laitram-parimbona fa ho toy ny hazo mamoa voahangy sy volamena, ka ny tandindominareo manga, ny halofanareo, maitso mitomaratatra satria ny hazo no mijoro, ny fakany. Ny trano no mijoalajola, ny fotony.

Tompondaka

Partager sur: