Fifaninanana – Ma-Hery Futsal : Hatramin’ny 14 febroary ny fisoratana anarana

Hotanterahina ny 22 feb­roary hatramin’ny 1 marsa ho avy izao, etsy amin’ny kianja mitafo Mahamasina, ny fifaninanana ara-panatanjahantena ho an’ny Oniversite, “Ma-hery Futsal”. Araka ny fanazavan’ ny mpikarakara Fief Mada tetsy Mahamasina, ny sabotsy lasa teo, mbola misokatra hatramin’ny 14 febroary ho avy io, ny fisoratana anarana amin’izany. Tsara mampaha­tsiahy fa ny taranja baolina kitra anaty efitrano “futsal” sy ny dihy an-tanàn-dehibe “Dan­ce Urbain” ary ny filatroana amin’ ny hatsara bika sy tarehy “Miss et Mister” no hifanintsanana amin’ny hetsika “Ma-hery Futsal”. Tanjon’ny Fief Mada amin’ity fifaninanana ity ny hanabe an’ireo tanora, ka hoentitra ny fanaraha-maso amin’ireo Oniversite izay mi­niha mampiasa ireo mpi­ka­raman’ady na ny “mercenaires” ary hahazo sazy mafy izay tratra mampilalao izany. Raha sendra misy ny mpilalao efa milalao amin’ny sehatra federaly, dia noferana ho telo ihany ny isan’izy ireo anaty ekipa iray ary roa ihany no mahazo miakatra eny an-kianja. Ankoatra izay, misy kosa ny “Show pro”, ho an’ireo olona ivelany oniversite tia hifanintsanana amin’ny dihy. Ampa­hafantarina  fa miara-mi­salaha amin’ny Fief Mada amin’ity hetsika ity ny minisitera roa : misahana ny Tanora sy ny Fa­natanjahantena (MJS), ary ny Serasera sy ny Kolontsaina (MCC).

F.R

Partager sur: