Hanokatra amin’ny fomba ofisialy ireo hetsika hotontosainy mandritra ity taona 2026 ity ny Jazz Club CGM/GZ. Hisy, noho izany, ilay fampisehoana lehibe «Jazz fiderana» hotanterahina eny amin’ny fiangonana FJKM Mahazoarivo, ny alahady 15 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Lohahevi-dehibe hanankinana ny « Jazz fiderana » ny « Aoka izay rehetra manam-pofonaina samy hidera an’i Jehovah, Haleloia » (Salamo 150 : 6). Tsy hisy ny vidim-pidirana.
Marihina fa anisan’ny manome lanja sy sehatra lehibe hifaneraseran’ny mpitia jazz ny Cercle Germano-Malagasy/GZ. Mifototra amin’ny fifanakalozana sy fifampizarana ny fampitam-pahalalana ao aminy. Manana ireo mpitendry jazz kalaza sy andrarezina ary itoeran’ny traikefa matanjaka rahateo ity sehatra ity.
Maro amin’ny ankizy sy tanora ary olon-dehibe milalao (mitendry, mihira) jazz no nandranto fahaizana sy fahalalana tao amin’ny Jazz Club CGM/GZ. Ankoatra ny sehatry ny firenena, iray amin’ireo foibe manome vahana ny fifanakalozana amin’ny any ivelany ihany koa ry zareo. Iray amin’ireo hetsika lehibe tanterahiny amin’izany ny « Jazz@ tohatohabato », izay tanterahina isaky ny fialantsasatra lehibe ho an’ny mpianatra.
Tsetsatsetsa tsy aritra, ireo vahiny nahita ny fomba filalaovan’ny Malagasy jazz, samy niloa-bava fa: « mahay ianareo ».
HaRy Razafindrakoto




