SOMBIM-BAOVAO

Efa aty amin’ny faha-10 andron’ny volana febroary, mbola tsy fantatra mazava ny hoavin’ny mpanazatra ny Barea. Raha ny resaka farany, efa mandroso ny fifampiresahana eo amin’i Corentin Martins sy ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF) ary ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS).

Nivoaka ny alahady teo, teny Bemasoandro Akamasoa, seksionina Avaradrano, ny andiany «Mikajy», mpitsara ny taranja basikety. Tompon’antoka tamin’ny fikarakarana ny fampiofanana ny seksionina sy ny DRA Avaradrano ary ny CRA Analamanga. Miisa 11 mianadahy izy ireo no nahavita ny dingana rehetra. Notolorana mari-pankasitrahana sy karatra maha mpitsara mpiana-draharaha.

Nahatafiditra baolina roa indray i Ousmane Dembélé, Frantsay mpilalao baolina kitra, afakomaly, rehefa nifandona tamin’ny Paris Saint Germain (PSG) ny Olympique de Marseille OM. Resin’ny PSG 5 no ho 0 ireto farany. Afa-bela tamin’ny OM ny Parizianina.

Partager sur: