SOMBIM-BAOVAO

Fifaninanana iraisam-pirenena lehibe miandry ny ekipa malagasy Ankoay ny “Champions Cup 3×3”, taranja basikety, hatao any Thaïlande, ny 13 hatramin’ny 15 marsa izao. Mitovy ny firenena iray vondrona amin’i Madagasikara, sokajy lahy sy vavy, ahitana an’i Etazonia, Pays-Bas ary i Australie.

Hotanterahina eny amin’ny Kianja mitafon’ Ankorondrano, ny 20, 21 ary 22 febroary izao, ny fiadiana ny tompondakan’Analamanga, taranja judo. Fifa­ninanana fanokafana ny taona ho an’ny ligin’Analaman­ga, araka ny tetiandro napetraka tany am-piandohan’ny taona.

Hitohy eny amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny fiadiana ny ho tompondaka eo anivon’ny seksionina Antananarivo Renivohitra, taranja basikety, anio sy rahampitso. Sokajy latsaky ny 13 taona, lahy sy vavy, hatramin’ny sokajy Vétérans ny lalao hitranga, ka ho feno ny fandaharan-dalao.

Partager sur: