Teratany vahiny izy, saingy nanokana ny ampaham-piainany teto Madagasikara. Nodimandry i Sylvain Subervie, mpanao sokitra vita amin’ny vy, fanta-daza maneran-tany.
Anarana nanamarika ny tontolon’ny zavakanto, indrindra ny sokitra teto Madagasikara. Nampahafantarin’ny fianakaviany, omaly, fa nodimandry teo amin’ny faha-75 taonany i Sylvain Subervie. Mpanakanto teratany vahiny, mpanao sokitra vita amin’ny vy no tena nahafantaran’ny maro azy. Latsa-pitia tamin’i Madagasikara, ka nanapa-kevitra ny honina teto, 30 taona mahery lasa izay.
Tsapa ao anatin’ireo sanganasan’i Sylvain Subervie ilay mampifamatotra azy amin’i Madagasikara sy ny Malagasy: ny aingam-panahin’ireo forona, ny akora nosafidiany, ny mety ho filan’ny mpankafy, sns. Hita taratra amin’ny « Le Banc de Poissons », « Les Guerriers Boucliers », « L’Embouteillage », sns, izany. Fanta-daza sy miranty maneran-tany ireo sanganasan’i Sylvain Subervie ireo, izay niainga tao amin’ny toeram-piasany ny vy, teto Antananarivo avokoa.
Ny sokitra amin’ny vy no tena nampisongadina azy, kanefa tsy izay ihany no talentan’i Sylain Subervie. Efa nisehatra tao anatin’ny tontolon’ny lamaody izy. Maro ireo forona toy ny firavaka izay nataony, izay nasongadin’ireo mpilatro tamina hetsika momba ny lamaody maro. Nironan’ny fony anefa ny famolahana ny karazam-by hanome ny kanto, ka notozoany hatramin’ny farany ny fanomezana rafitra hita maso ny aingam-panahiny.
Nampianatra sy nampita ny traikefany tamin’ireo naniry ny hirona amin’ny hairaha ara-endrika amam-bika ihany koa i Sylvain Subervie. Efa nitarika tanora mpanakanto maro izy, niara-nanatontosa taminy ireo tetikasa manodidina ny kanto izay novolavolainy. Efa nanaovan’izy ireo fampirantiana avokoa ireo toerana rehetra afaka nandray izany teto Madagasikara, hatrany ivelany. Rariny raha toa ka nomen’ny fitondram-panjakana ny mariboninahitry ny kanto malagasy ity mpanakanto nanome aina vao ny vy ity.
Zo ny Aina




