Manomboka misongadina eny amin’ny fiarahamonin’ny Malagasy ny fahasimbana sy ny fahapotehina. Maro loatra ireo tranga heveriny fa bitika ka nohamaivaniny. Ireny no misoko miadana ka manimba ny maha olona, mamotika ny soatoavina, sns. Mbola mahazo vahana eto Madagasikara, ohatra, ny fanomezana anarana vahiny ny zaza vao teraka. Ny fametrahana sy fampanjakana ary fampitoviana ny fomba fanabeazana ny taranaka malagasy amin’ny an’ny vahiny. Fakana tahaka be fahatany ny fomba fihetsika, fiteny, fitafy, sns, ataon’ny vahiny, sns.
Tahaka ny kely ny fahitana azy ireny, kanefa, misoko miadana sy mangina. Ao anatin’ ny folo taona monja. Tsy hahatsapa sy hiaina ny momba azy intsony ny Malagasy. Tranga tsy maharototra ny Malagasy, fa mampibitaka ny vahiny. Fantany fa ho lasany tsy ho ela i Madagasikara. Handady eo anatrehany ny mpaka tahaka sy ny mpindrana. Hanana saribakoly marobe indray ry zareo.
Hatramin’izao, mbola tsy ahitana fahavononana hiaina amin’ny kolontsainy sy ny soatoaviny ny Malagasy. Ireo manam-paniriana, indray, tsy mahafantatra ny tokony hataony. Na ny fomban-drazany aza tsy fantany. Tsy ilaina famatsiam-bola avy any ivelany ny miaina amin’ny maha izy ny tena. Any amin’ny tokantrano no tokony hanatanterahina izany voalohany.
HaRy Razafindrakoto




