Hanampy ireo mpiray tanindrazana niharam-boina any Toamasina i Joely Kely. Nambarany ombieny ombieny io nandritra ny fampisehoana inefatra nisesy nataony, ny faran’ny herinandro teo. Nohamafisiny sy ny Ivenco izay mpikarakara kosa izany omaly, tamin’ny alalan’ny fanambarana ofisialy. Hisy ampahany tamin’ny vola azo, ampiana amin’izay voaangona ny andron’ny fampisehoana. Nosafidiana fa i Shyn sy Denise kosa no hitantana izany, noho izy ireo any an-toerana sy mahita mivantana ny filan’ny mponina.
“Ny tantaran’ny fihariana, ny fandraharahana, ny fitrandrahana ary ny fifanakalozana eo amin’ny sehatry ny varotra sy ny toekarena teto Madagasikara”. Io indray ny lohahevitry ny fampirantiana ao amin’ny Tranombokim-pirenana Anosy, nanomboka omaly, ka tsy hifarana raha tsy ny 16 marsa. Hanampy betsaka ireo mpianatra ny fampirantiana, satria matetika tsy voaresaka firy anatin’ny tantara ny niandohan’ny fihariana sy ny fandraharahana ary ny varotra teto Madagasikara. Mifampiankina anefa ireo, ary ilaina fantatra raha te hamakafaka izay miseho amin’izao fotoana izao.
Hatao rahampitso 18 febroary ilay velakevitra mahakasika ny skotisma sy ny literatiora. Ilay saika notontosaina tamin’ny heriny io, izay voatery nahemotra noho ny andro ratsy. Ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy ihany, manomboka amin’ny 2 ora, no hanatontosana izany. “Ny fiainana skotisma tarafina amin’ny asa soratry ny Faribolana Sandratra” ny lohahevitra. Hamelabelatra momba izany Ny Ilo Jihy (Mpitandrina), Herimiaraka Rabemalanjaona (Tily, mpanabe, poeta) ary i Ando Malala (Mpanoratra, antily). Marihina fa tsy misy mpikambana ao amin’ny Faribolana Sandratra ireo hitarika ny velakevitra.




