Ny tody tsy misy

 

Mazava aloha ny fizotry ny raharaha manga eto amin’ny Tanàna. Mitohy ny asa sy ny fitokanan-javatra etsy sy eroa. Toy ny nahazatra fony andron’ny loranjy ihany ny andavanandron-dRamalagasy. Miady, mitady izay hohanina. Mirotoroto hatrany mitady vola. Tsy mahagaga moa satria, hatreto, ny olona no niova fa isika mbola an-dalana mametraka ny fototry ny fanovana. Ratsy sady sarotra tokoa ny manorina ambony fasika sy hazo boboka izay nitokonana.
Na izany aza, iarahana mahita ny fandehan’ny toe-draharaha politika. Mahita faisana aloha ny “forongony” na ireo mpitondra teo aloha. Ny olona voafonja dia any, tsisy mpiresaka intsony. Ny aty ivelany ireny efa voasambotra sy nosavain-trano ireny indray. Asa fa dia ny tody koa angaha no tsy misy fa ny atao no miverina? Boribory vetaveta eny hatrany. Ifandimbiasana ny fifanenjehana etsy sy eroa. Mandalo tsirairay any am-ponja izay miongana sy very seza.
Toy izany hatrany ny zava-miseho eto amin’ilay firenena. Soa fa anatin’ny fametrahana isam-paritra ny rafitry ny fampihavanana ny mpitondra. Efa miasa ny rafitra isan-tsokajiny amin’ny fampihodinana ny raharaha momba ny fanavaozana ifotony. Mandeha ny fanangonana ny mahakasika izay ho Lalàmpanorenana. Toraka izany koa ny rafitra isan-tsokajiny amin’ny fikaonandoham-pirenena. Tsy mihanona fotsiny eto an-dRenivohitra fa mipaka any amin’ny faritra.
Raha fehezina, mandeha ny mandeha, hoy ny fitenin-jatovo. Izay tsy afaka aloha maka saina any am-ponja. Ny nahazo fahefana manezaka amin’izay heveriny ho mety aminy ho fanohizana ny raharaham-panjakana. Tsy tokony ho hadino fotsiny fa raha tsy miova ny fanaovana politika dia ho fandanian’andro no betsaka.

r.r

Partager sur: