« Ifalio ny maraina » : Amboaran-tononkalon’i Joely Kely

Eny, poeta i Joely! «Ta­lohan’ny naha mpanao gazety, talohan’ny naha humoriste, dia mpanoratra tononkalo no nahafantarana ahy. Poeta», hoy ny nambarany. Saingy izao vao feno fepetra amoahany boky. «Ifalio ny maraina», mirakitra ireo tononkalo nosoratan’i Andrianina Ra­joelisoa, fantatry ny maro amin’ny hoe Joely Kely na C’est du Joely, izy ity.
Hampahafantarina amin’ny fomba ofisialy, anio, ny fivoahan’ny boky. Ny Hakanto Edition no namokatra azy, ka eny amin’ny Hakanto Con­temporary, Ankadimbahoaka, no hamoahana voalohany ny boky, amin’ny 3 ora tolakandro.
«Ilay Joely vaovao izay miseho anatin’ireo fihetseham-pony amin’ny alalan’ny teny… ireo asa sorany… ny tonokalony», hoy ny famaritan’ny Hakanto Contemporary azy. «Tongava mamantatra an’Andrianina Rajoelisoa C’est du Joely amin’ny endriny faharoa. Mba nasiako feony io tononkalo io tamin’ny 2017, rehefa nierako taminy, ka nanombohan’ny fihavananay mianaka», hoy kosa ny fanentanan’i Fanja Andria­mantena, izay midika sahady ho antoka amin’ny maha kanto ireo asa soratr’ity mpanakanto ity. Ho an’i Joely, «Nofinofy iray hafa tanteraka» ny fivoahan’ity boky ity.

Zo ny Aina

Partager sur: