Nahazo isa telo indray ny CFFA Andoharanofotsy, omaly, tetsy Iavoloha. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 3 no ho 0, ny Antimo Record. Fifanandrinana izay tafiditra amin’ny andro fahatelo taraiky amin’ny fifanintsanana nasionaly, « Pureplay Football League (PFL) ». Ny sabotsy ho avy izao, hanafika ny Disciples FC, any Antsirabe, ny CFFA.
Hotontosaina ny sabotsy 21 febroary izao, any Manjakandriana, ny fambolen-kazo ho an’ny ligin’ Analamanga taranja basikety. Hetsika hanombohana ny taona izy ity ho azy ireo, araka ny nambaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga, Ratovonjanahary Haingo Mampionona.
Lavon’ny Real Madrid, espaniola, tamin’ny isa 1 no ho 0 ny Benifica Lisbon, portioge, omaly, tany Portugal. Fifanandrinana mandroso, tafiditra amin’ny lalao sakan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, ho an’ny taranja baolina kitra “Ligue des Champions 2026”. Nahazo karatra mena i José Mourinho, mpanazatra ny Benifica tamin’ity fihaonana ity.




