Resy lahatra tamin’ny vokatra azon’ny FTM Manjakaray, taranja rugby, ny fikambanana Mandimby ka nanome tanana azy ireo amin’ny fiatrehana ny « XXL Top 12 ». Ny sabotsy lasa teo, teny Manjakaray, tonga nanolotra «maillot» karazany roa, fotsy sy manga, kiraro sy « bas » mifandraika amin’izany, ho an’ireo mpilalao rehetra, izy ireo. Nanome izany teny an-toerana i Paul Dunah, tomponandraikitry ny fikambanana. Nandray izany i Lahatra, kapitenin’ny FTM, notronin’i Ashock Nunkomar, filohan’ny ekipa sy ireo mpilalao. Nambaran’i Paul Dunah fa fanampiana ireo zandrikely handrombaka ny amboara no tanjona. “Tsy mitaky takalony izahay fa fitiavana ny tanora mpifanerasera matetika sy fampirisihana azy ireo hanao tsaratsara hatrany”, hoy izy. Eo Manjakaray rahateo ny foiben’ny fikambanana. Hivelatra amin’ny tohana amin’ny lalao sy ny maro hafa ny fanampiana. Nisaotra ary nampanantena vokatra tsara i Lahatra. Ny lafiny sosialy sy ny fanampiana ny mpiara-belona ary ny tanora no tena ifantohan’ny fikambanana Mandimby.
Tompondaka




