Hifantoka kely any Afrika Atsimo ny sain’ny Malagasy mpanaraka baolina kitra amin’izao fotoana izao. Hiady ny tapakila hiakarana manasa-dalana amin’ny “Cosafa Women’s Cup” ny Barea, sokajy vehivavy.
Hotanterahina anio, any Afrika Atsimo, ny lalaon’ny Barea Ladies Madagasikara sy i Mozambika. Fifanandrinana tafiditra amin’ny andro faharoan’ny vondrona C, anatin’ny fifanintsanana afrikanina, sokajy vehivavy, “Cosafa Women’s Cup”. Tsy maintsy mandresy an’i Mozambika ny Barea, mba hiakarana amin’ny dingan’ny manasa-dalana amin’ity lalaon’ny firenena aty amin’ny faritra atsimon’i Afrika ity.
Manana isa telo ny Barea amin’izao fotoana izao, rehefa nandavo ny Namibianina, 1 no ho 0, teo amin’ny andro voalohany. Mbola tsy manana isa kosa ry zareo Mozambikanina. Tsiahivina fa efa lavon’i Namibie, 2 no ho 0, i Mozambika, tamin’ny lalaon’izy ireo voalohany.
Ambony ny herijika ho an’ny Barea amin’ity fihaonana farany isam-bondrona ity. Ady sahala fotsiny dia efa ampy hampiakatra azy any amin’ny lalao manaraka. Marihina fa izay voalohany isam-bondrona sy izay ekipa faharoa tsara indrindra no miakatra eo amin’ny fihaonana manaraka.
Endri-dalao tsy ampy fiomanana …
Na dia teo aza ny fandresena azon’ny ekipa nasionaly malagasy, hita taratra teny ambony kianja ihany ny tsy fahampian’ny fiomanana sy ny fifanintsanana ho an’ny Barea. Raha ny fahitan’ny mpijery ny fifanandrinan’izy ireo tamin’ny Namibianina, afakomaly, tsikaritra ho tsy dia nivoaka loatra ilay endri-dalao tiana haseho. Ampahafantarina fa efa tany amin’ny volana mey, taona 2025 no nisy fifaninanam-pirenena ho an’ny sokajy vehivavy, “senior”, farany teto Madagasikara.
F.R




