Efa aty amin’ny faha-25 ny volana febroary isika izao, tsy mbola fantatra mazava ny andro hahatongavan’ny filohan’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fifa), i Gianni Infantino, eto Madagasikara. Raha ny filazan’ny Federasionina, tokony ho efa tany amin’ny faran’ny volana janoary izy no tonga teto, saingy hatramin’izao, mbola andrasana ny fivahinianany eto an-tanindrazana.
Hotanterahina ao amin’ny Kianja Santiago Bernabeu, Espagne, ny fifanandrinan’ny Real Madrid, espaniola sy ny Benifica Lisbon, portiogey. Fihaonana miverina, tafiditra amin’ny lalao sakan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, « Ligue des Champions 2026 ». Manana tombony amin’ny isa 1 no ho 0 aloha izao, ny Real Madrid.
Efa feno ny mpilalaon’ny Ankoay, hiatrika ny fampivondronana any Dakar, Senegal, ao anatin’ny fiomanana amin’ny lalao fifanintsanana amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja basikety 5×5, seniors. Hiakatra kianja voalohany manoloana ny ekipan’ny Repoblika Demokratikan’i Congo i Madagasikara, rahampitso.




