Fananan-tany : Tsy maintsy haverina amin’ny Malagasy ny tany

“Tsy mbola nanao sonia taratasy fanamarinan-tany ho ana teratany vahiny na iray aza ny tenako”, hoy ny minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny fananan-tany, ny Jly Lylison René de Rolland, mahakasika ny raharaha etsy Ankadifotsy Befelatanana, misy ireo tokantrano 52 tafo voakasiky ny fa­nesorana eo amin’ny tany. Nambaran’ireo mponina fa mirefy 14 ara ny tany misy trano fonenana, toerana fivarotana, ary tanin’anandrano. Ny taona 1984 no nilaza ny sefo fokontany fa “tanim-panjakana ny eo an-toerana ka tsy azo angatahina saingy azo hanorenanana ary rehefa ila­in’ny fanjakana dia alainy izany”. Gaga ireo mponina, ankehitriny, fa nangatahana teratany karana ny tany nanorenan’izy ireo ka miantso vonjy hijerena ny zava-misy izy ireo.
Ny herinandro teo, nilanja sorabaventy manoloana ny Lapan’ny fitsarana ireo mponina mba hijery akaiky ny raharaha. “Manahy ho very fananana izahay raha toa ka mamaly ny fangatahan’io mpandraharaha karana io ny fitsarana”, hoy ny solontenan’ny mponina, Rakotonirina Jean Paul. Nitondra ny fitarainana tamin’ny minisitra ihany koa izy ireo ary nilaza fa tsy mbola nahazo ny rariny mihi­tsy tamin’ny fangatahana na­taon’izy ireo, ny taona 2000. Tamin’izay indrindra, nilaza ny minisitra fa “tsy mbola nanao sonia titre tany aho hatramin’izao. Hojerena ihany koa ny tombontsoan’ny Malagasy”. Na izany aza, manao antso avo amin’ny minisiteran’ny Fi­tsarana ny minisitra hijery miaraka amin’ny minisiteran’ny Fananan-tany sy ny fanajariana ny tany. Marihina fa hiakatra fitsarana, anio, ny raharaha.

Henintsoa

Partager sur: