Ratsy ny vokatra azon’ny Barea Ladies, omaly, tany Afrika Atsimo. Niondrika teo anatrehan’i Mozambika, tamin’ny isa mazava 2 no ho 0, ny ekipantsika. Mangoron-damba ny Barea amin’ity Cosafa ity.
Tapitra hatreo ny lalana ho an’ny Barea, sokajy vehivavy, amin’ny fifanintsanana ho an’ny firenena aty amin’ny faritra atsimon’i afrika, “Cosafa Women’s Cup”. Resin’i Mozambika tamin’ny isa 2 no ho 0 ny ekipa nasionaly malagasy. Raha hiverenana ny fifanandrinana, teo amin’ny 25 minitra, fizaram-potoana voalohany, ihany ny Malagasy no nanindry. Porofon’izany ny baolina saika tafiditr’i Louisa, irakiraka Barea, ny minitra faha-21 saingy nidona tamin’ny tsivalamby izany.
Taitra tamin’ny torimasony amin’izay ny mozambikanina ka maro ny fanafihana totoafo nataon’izy ireo. Teo amin’ny minitra faha-32, nanao fahadisoana tao anaty faritra tsy azo ivalozana ny vodilaharantsika ka nahazo “penalty” i Mozambika. Tafiditr’i Amelia Banze, izany, 1 no ho 0 ny isa teny amin’ny solaitrabe, mitarika ny mozambikanina.
Tao anatin’ny fidirana faharoa, nampian’i Cina Manuel, lolaharan’i Mozambika, ny isa teny amin’ny solaitrabe, ny faha-68 min nilalaovana. Tsy niova tamin’io intsony ny fiafaran’ny lalao, resy 2 no ho 0 ny Barea ladies. Eo amin’ny laharana faran’ny vondrona “C” no misy ny Malagasy taorian’iny lalao nihaonana tamin’i Mozambika iny.
Lojika ny faharesena …
Azo lazaina ho lojika ny faharesena ho an’ny ekipa nasionaly malagasy noho ny tsy fahampian’ny fifanintsanana ho an’ny vehivavy eto an-toerana. Tsiahivina fa izay hita fa mendrika nandritra ny fifaninanam-pirenena, tany amin’ny volana mey, taona 2025 no nantsoina hanatevina ny ekipam-pirenena Barea. Fandresena tokana sy faharesena iray izany no azon’ny Malagasy tamin’ity “Cosafa 2026” ity.
F.R




