Basikety-“Fiba 3X3 Champions Cup” : Tsy nahomby ny ekipa malagasy

Nifarana ny sabotsy lasa teo, tany Bangkok Thaïlande, ny fifaninanana”Fiba 3×3 Champions Cup” izay nandraisan’i Madagasikara anjara. Tsy nahomby ny Ankoay lahy sy vavy. Faharesena 3 avy no azon’izy ireo nandritra ity fifaninanana ity, ny faran’ny herinandro teo.

Firenena goavana sy efa tompon’ny basikety 3×3 maneran-tany avokoa no nifanandrinan’izy ireo ka tsy afa-bela ny ekipa malagasy. Ny zoma lasa teo, resy indroa misesy ny Ankoay, lehilahy, nanoloana ny ekipan’i Australie (21-17) sy ny ekipan’i Etazonia (22-11). Mbola nitohy ny sabotsy teo ihany koa izany faharesena izany nanoloana an’i Pays Bas. Hita anefa fa tena efa nanezaka mafy ry Elly sy ny namany ka tsy dia nifanalavitra ny isa na dia resy aza izy ireo. Isa 19 no ho 16 no nandavoan’i Pays Bas ny ekipa malagasy. Teo amin’ny sokajy vehivavy kosa, sarotra ny niatrehan’i Sydy sy ny namany ny fifaninanana. Tsy afa-bela ary tena tsy nahavita nanohitra izy ireo tamin’ny lalao 3 natrehiny. Ny zoma, isa mavesatra 21 no ho 5 avy hatrany no nitsena ny Ankoay vavy, tamin’ny lalao voalohany, nanoloana an’i Etazonia. Tsy mbola niova izany tamin’ny lalao faharoa sy fahatelo, ka resin’i Austra­lie, tamin’ny isa 19 no ho 5 ary nolavoin’i Pays Bas, tamin’ny isa 21 no ho 6, ny ekipa malagasy, sokajy vehivavy. Le­sona no azo nandritra ity fifaninanana ity, araka izany. Na­hafahana ihany koa nitsapa ny fahaizan’ny ekipa malagasy manoloana ireo ekipa sangany ma­neran-tany. Lesoka ny mbola tsy fahampian’ny traikefa sy ny eo amin’ny ara-batana izay hihoaran’ny mpifanandrina lavitra. Tsiahivina fa amin’ny maha tompondaka tamin’ny “Africa Cup 3×3” farany teo no nahafahan’ny Ankoay lahy sy vavy nandray anjara tamin’ity “Fiba 3×3 Champions Cup” ity. Ny ekipan’i Pays Bas, teo amin’ny sokajy vehivavy sy ny ekipan’i Etazonia, teo amin’ny so­kajy lehilahy, no nandrombaka ny fandresena tamin’ity fi­faninanana natao tany Bang­­kok, ny faran’ny herinandro teo, ity.

Mi.Raz

Partager sur: