Raha tsy misy ny fiovana farany, hivoaka anio ny lisitry ny mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara. Araka ny loharanom-baovao, telo ihany ireo mpilalao avy eto an-toerana nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra.
Andrasana anio ny fivoahan’ny lisitry ny mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy hiatrika ny lalao ara-pirahalahiana (fenêtre Fifa), amin’ity volana marsa ity, any Antalya Torkia. Nilaza ny loharanom-baovao iray fa mpilalao avy eto an-toerana telo ihany no nantsoin’i Corentin Martins, Frantsay mpanazatra Barea hiaro ny voninahi-pirenena. Ankoatra izay, misy ihany koa mpilalao milaravinahitra vaovao hanatevina ny ekipa nasionaly amin’io andron’ny “Fenêtre Fifa” io. Raha ny siosion-dresaka mandeha sy ny fanadihadiana natao, dia ry Rado be sy Bono, avy amin’ny klioba Disciples FC Vakinankaratra ary i Toldo, mpiandry tsatobin’ny Elgeco Plus ihany no ho solontenan’ny avy eto an-toerana ao anatin’ny ekipa nasionaly Barea. Mampametra-panontaniana ny maro kosa ny tsy nahitana an’i Fabrice, lohalaharan’ny Disciples FC, mpampidi-baolina betsaka indrindra ao amin’ny fifaninanam-pirenena PFL, anatin’ity lisitra ity, nefa ny baolina tafiditra no tena ilain’ny Barea amin’izao fotoana izao.
Ankoatra izay, hotanterahina ny sabotsy 28 marsa, ao amin’ny Antalya Sport, ny fifanandrinan’i Kirghizistan, laharana faha-103 sy i Madagasikara, faha-104 maneran-tany. Mbola tsy fantatra mazava kosa ny fihaonan’ny Malagasy mpilalao amin’i Oganda, saingy raha ny vaovao farany sy miparitaka anaty tambajotran-tserasera, tsy hiatrika lalao ara-pirahalahiana noho ny antony tsy mazava mihitsy, ny Cranes Ongadey, amin’ity marsa ity. Nanamafy koa ity mpampita vaovao ity fa hiezaka hitady firenena hafa hanolo ny toeran’i Oganda, amin’ny ilay lalao faharoa, izay hatao ny 31 marsa ho avy izao, any an-toerana ihany, ny mpikarakara.
Fitia Randria




