Nandray fanapahan-kevitra hentitra ny Caf afakomaly. Nalaina tamin’ny Lion de la Teranga ny fandresena azony tamin’ny “Can 2025” farany. Lasan’i Maroc indray izany ny amboara. Taorian’izay, hampiakatra ny raharaha any amin’ny fitsarana avo ny fanatanjahantena TAS ny Federasionin’i Senegal.
Nanaitra ny mpankafy ny vaovao niparitaka afakomaly sy omaly. Nambaran’ny Kaonfederasionina afrikanin’ny baolina kitra (Caf) tao anaty tambajotra-tserasera an’izy ireo, afakomaly, fa voahosotra ho tompondakan’i Afrika, i Maroc, rehefa nahazo rariny tamin’ny fitsarana navoakan’ny Caf, ny fitoriana nataon’izy ireo an’i Senegal, taorian’ilay zava-nisy nandritra ny famaranan’ny Can 2025 farany teo, tany Maroc. Nambaran’izy ireo fa meloka tamin’ ilay fihetsika niala teny ambony kianja ny Lion de la Teranga Senegal, ka lavo avy hatrany amin’ny isa 3 no ho 0, izay midika fandresena mazava ho an’ny Lion de l’Atlas Maroc. Hafindra amin’izy ireo izany ny amboaran’ny Can 2025. Tsiahivina fa i Senegal no nandresy tamin’ny isa 1 no ho 0, nandritra izany famaranana izany.
Etsy ankilany, tohana tanteraka ny Federasionina Senegaley raha naharay ny hafatra tao anaty mailaka, ary nilaza fa fanapahan-kevitra tsy rariny ihany ity nataon’ny mpitsara an’ny caf ity. Manoloana izany, hampakatra ny raharaha eny amin’ny fitsarana avo ny fanatanjahantena (TAS) izy ireo.
Maro ireo kalaza tsy nankasitraka …
Saika nanameloka ny Caf avokoa ireo mpilalao kalaza sy mpamakafaka baolina kitra any ivelany. Voalohany tamin’ ireo naneho hevitra mafy i El Hadji Malick Diouf, senegaley mpilalao, izay nilaza mazava fa tsy tokony ho azo amin’ny fomba ivelan’ny kianja ny fandresena: “Io amboara io dia azo eny ambony kianja, fa tsy amin’ny alalan’ny “e-mail”. Nanampy trotraka ihany koa ny fanehoan-kevitra nataon’i Samir Nasri, frantsay mpilalao baolina kitra fahiny, izay naneho fahatezerana sy fanesoana: “Angamba amin’ny manaraka dia tokony hambara amin’ny 2035 indray! Tsy misy dikany izany. Efa nody niaraka tamin’ny amboara ny Senegaly mba hankalaza. Dia ahoana izany? Omena an’i Maraoka ve ilay amboara? Manala baraka tena ny Caf”.
Tsy nihemotra ihany koa i Claude Le Roy, mpanazatra efa manana ny toerany eto Afrika, nilaza fa misy tsy mazava ao ambadik’ity raharaha ity: “Heveriko fa nisy kolikoly sy tetika maro nanapahana fa i Maraoka no tompondaka. Mahamenatra ho an’ny sarin’ ny Caf izany. Toy ny hoe mahazo manao izay tiany i Maraoka. Fandresena teo ambony latabatra no azony, ary vao manomboka ity raharaha ity”.
Any amin’ny TAS indray izany ny baolina, ka andrasana izay ho fanapahan-kevitr’ izy ireo.
F.R




