Tafita any amin’ny ampahefa-dalan’ny « Ligue des Champions 2026 », taranja baolina kitra, ny Real Madrid FC, Espagne. Resin’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 1 ny klioba anglisy, Manchester City. Tafiditra anatin’ny lalao miverin’ny LDC, izay natao tao amin’ny Etihad Stadium. Tsy afa-bela aminn’y Real Madrid mihitsy, araka izany, ny Manchester City.
Hiditra amin’ny ampahavalon-dalana, anio, eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny fifaninanana “Smatchin”, andiany faha-12. Rahampitso kosa no hanaovana ny ampahefa-dalana ary tsy misaraka amin’ny fifaninanana ny fisian’ireo mpanakanto maro. Anisan’ny ho avy eny an-toerana ry Skaiz sy ry Agrad ary ireo mpanakanto maro hafa. Ny Sabotsy no hanaovana ny manasa-dalana ary hifarana ny alahady 22 marsa izao ny fifaninanana.
Hitohy ny faran’ity herinandro ity ny fifaninanana eo anivon’ny ligin’Analamanga, taranja volley-ball, ho an’ny taom-pilalaovana 2025-2026. Eny amin’ny Kianjan’Itaosy sy Betongolo no hanatanterahina ireo lalao rehetra. Anisan’ny hifanandrina eo amin’ny 2 ème division, vehivavy, ny ekipan’ny Bi’As sy ny MVB, ny GNVB sy ny AVB ary ny VBCD sy ny CS. Lalao eo amin’ ny 26 eo no hitranga mandritra ity faran’ny herinandro ity.




