Mpanao gazety ara-panatanjahantena : Namboly hazo tany Ambohimanjaka

Tsy nijanona tamin’ny fanatanjahantena irery ny hetsika ataon’ny Union des journalistes sportifs de Madagascar (UJSM) fa nivelatra tamin’ny fanaovana adidy ho an’ny tanindrazana dia ny fambolen-kazo. Nanatanteraka izany izy ireo ny sabotsy lasa teo.

Taorian’ny fanatontosana ny «Media cup pétan­que», niroso tamin’ny fambolen-kazo indray ny fikambanan’ny mpanao gazety ara-panatanjahantena eto Madagasikara (UJSM). No­tontosaina ny sabotsy lasa teo izany, tany amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohiman­jaka, ao anatin’ny distrikan’ Ambohidratrimo. Zana-kazo 300 fototra no novolena izay nisy karazany efatra, jacaranda, grevelia, acacia ary jasmins. Nitarika izany ny filohan’ny fikambanana Rabenaivo Alain, izay nanamafy fa tsy mijanona fotsiny amin’ny fitaterana vaovao sy fiatrehana fifaninanana ny mpampahalala vaovao fa miditra an-tsehatra na tsy mifaninana amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligy sy ny fifaninanam-pirenena aza. Nohararaotina ihany koa ny fotoana mba niarahana niala voly sy nakana rivotra kely. Nanampy tamin’ny fanatontosana ity fambolen-kazo ity ny solomba­vambahoakan’Ambohidratrimo, Rakotoarisoa Johnny sy ny ben’ny Tanànan’Ambohiman­jaka, Rakotoarisoa Masiniaina Fabrice. Tsy nataon’ireto tompon-tanàna ho vahiny ny mpanao gazety fa noraisina ho toy ny zanaky ny kaominina. Nialoha ny nanatsatohana ireo zana-kazo tao anaty lavaka, nisy ny fampianarana tsotsotra sy fanoroana ny teknina nataon-dRaholiarisoa Na­thalie, izay agent de développement local (ADL). Naha­liana ireo mpampahalala vaovao tokoa ny nahita izany. Taorian’ny fambolen-kazo, nisy ny lalao ara-pirahalahiana nikatrohan’ny UJSM tamin’ny ekipan’ny FC Tsaradia, notarihin’ny lefitry ny ben’ny Tanàna sady kapitenin’ny ekipa, Nirinarijaona Sitraka Fitahiana. Niondrika tamin’ny isa 4 no ho 0 ny mpanao gazety. Ny fiarahana misakafo no namarana ny fihaonana rehetra.

Tompondaka

Partager sur: