Nahitana lesoka ny lafiny fanazarana sy fitsarana ary fitantanana nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy ankizy sy vehivavy, farany teo, araka ny tatitra nataon’ny eo anivon’ny Federasiona karate-do malagasy. Hisy ny fanatsarana hatao.
Ny “cadres” na ny lafiny fanazarana sy fitsarana ary fitantanana no andry iray mampandroso ny fanatanjahantena sy ny eo amin’ny fifaninanana. Nisy ny lesoka, raha ny nambaran’ny filohan’ny Federasionina, Retefinanahary Emile, ka mila fanarenana. Araka izany, hisy ny seminera karakaraina ny 12, 19 ary 26 avrily izao natokana ho an’ireo “cadres” ary hisy ny tombana ny 10 mey. Hitohy ny 7 sy 14 jona kosa ny seminera, araka ny fandaharam-potoana ary hifarana amin’ny fanadinana izany ny 21 jona izao. Hatao izany mba hanamafisana sy hanatsarana ny lafiny fanazarana sy fitsarana ary ny fitantanana eo amin’ny tontolon’ny karate. Raha nahitana lesoka ny teo amin’ireo mpanazatra sy mpitsara ary ny mpitantana, nisy kosa ny vokatra tsara teo amin’ny atleta, mbola misy anefa ny mila ampitomboana ka nanapa-kevitra ny kaomisiona teknika eo anivon’ny FKM fa hitarina ny fe-potoana hamoahana ny lisitry ny mpikatroka handrafitra ny ekipam-pirenena, sokajy Cadets, Junior, U21 ary Senior. Taorian’ny fampivondronana natao tany Moramanga, any Ambositra indray no hanohizana izany, ny 30 avrily, 1, 2 ary 3 mey izao ka aorian’izay vao hivoaka ny lisitry ny mpikatroka handrafitra ny ekipam-pirenena 2026.
Mi.Raz




