Araka ny fikarohana natao omaly, efa any Antalya Turquie, ny akamaroan’ ny mpilaravinahitra ao amin’ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara. Anisan’izany ry Clement Couturier, Sandro Tremoulet, Ehsan Khari, Thomas Fontaine, Johan N’Zi, Morgan Jean Pierre, Bryan Adinani, Tommy Iva. Nigadona omaly, niaraka tamin’ny mpilalao koa i Corentin Martins, mpanazatra ny ekipam-pirenena.
Raha ny fantatra, niala teto an-tanindrazana, omaly, ny delegasionina niaraka tamin’ireo mpilalao avy eto an-toerana. Anisan’izany ry Bono sy Rado, mpilalaon’ny Disciples FC Vakinankaratra sy i Toldo, mpiandry tsatobin’ny Elgeco Plus. Mbola andrasana anio sy rahampitso, ny fahatongavan’ny mpilaravinahitra sasany toan-dRaveloson Ryan, Behaja, Arnaud, El Hadary, Andy Pelmard, Nina, Marco Ilaimaharitra, sns.
Hiatrika lalao ara-pirahalahiana anatin’ny “Fenêtre Fifa” ny ekipa malagasy. Hisy ny fihaonana amin’i Kirghizistan, ny 28 marsa. Aorian’izay, hifandona amin’i Guinée Equatoriale, ny 31 marsa.
Zava-dehibe ho an’ny Malagasy ny maka fandresena amin’ny lalao roa hataony. Ahafahana mampiakatra ny laharana amin’ny Fifa izany. Tsiahivina fa amin’ny laharana faha-104, ny Barean’i Madagasikara, ankehitriny.
Fitia Randria




