SOMBIM-BAOVAO

Hotontosaina, ny volana avrily ny fihaonana miverina eo amin’ny Elgeco Plus sy ny Disciples FC Vakinankaratra, raha tsy misy ny fiovana. Marihina fa ity fifanandrinana ity dia tafiditra anatin’ny andro faha-11, fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny taranja baolina kitra «Pureplay Football League (PFL)».

Nambaran’ny filohan’ny Federasionina ma­lagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, ny alakamisy lasa teo, fa mety aorian’ny fiadiana ny amboara maneran-tany, «Mondial 2026», izay hatao any Etazonia, vao ho avy eto Madagasikara i Gianni Infantino. Marihina fa hanova ny sata mifehy ny Federasiona sy hitokana ny ivontoerana etsy Carion no tena anton-diany eto Madagasikara.

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny
amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina ny fifaninanana «She leads the game» , taranja basikety 3×3, natokana ho an’ny vehivavy, izay nokarakarain’ny Amazones Ballers sy ny ligin’Analamanga ny taranja basikety. Nahatratra 300 ny mpandray anjara tamin’izany.

Partager sur: