Basikety-Tanà Ville: Maro ny famaranana amin’ny faran’ny herinandro

Efa manomboka miroso any amin’ny dingana famaranana ny fifaninanana eo anivon’ny seksionin’ny basikety Antananarivo Renivohitra.

Raha ny fandaharam-potoana amin’ny faran’ity herinandro ity, hisy lalao famaranana maro hitranga. Eo amin’ny sokajy N1B, hifanandrina eo amin’ny sokajy lehilahy, ny ekipan’ny JCBA sy ny NBE. Eo amin’ny sokajy vehivavy kosa, hifandona ny ekipan’ny Lucadro sy ny ekipan’ny Aca. Ny alahady 29 marsa no hanantanterahana izany famaranana eo amin’ny sokajy N1B izany. Ankoatra izay, hiditra amin’ny famaranana ihany koa ny eo amin’ny sokajy latsaky ny 12 taona, lahy sy vavy, ny sabotsy izao. Hihaona amin’izany ny Cosfa sy ny ASSM, eo amin’ny lehilahy ary hifanandrina kosa ny ASSM sy ny Fandrefiala eo amin’ny sokajy vehivavy. Eo amin’ny sokajy latsaky ny 10 taona, vehivavy kosa, hifandona ny ekipan’ny ASSM sy ny Cosfa. Fandaharam-potoana anisan’ny hitranga ihany koa ny sabotsy 28 marsa izao ny lalao manasa-dalana eo amin’ny JCBA sy ny NBE, ho an’ny sokajy latsaky ny 18 taona, lehilahy. Hentitra ny eo anivon’ny seksionina Antananarivo Renivohitra amin’ny fampanarahan-dalàna ireo mpilalao sy ireo ekipa mandray anjara, indrindra amin’izao dingana farany izao. Misy ny fanaraha-maso akaiky hatao fa eo koa ny sazy ho an’izay mandika izany, raha ny fanazavan’ny SBBAR, Jean Félix.

Mi.Raz

Partager sur: