Hampiantrano ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja tenisy, sokajy zandriny U14, i Maurice. Fifaninanana karakarain’ny Federasionina iraisam-pirenena (ITF) sy ny Kaonfederasionina afrikanina (Cat). Hizara roa ny lalao. Ny dingana voalohany, ho an’ny “grade 3”, hatao ny 31 mey ka hatramin’ny 3 jona 2026. Ny dingana faharoa kosa ho an’ny “grade 2”, hotanterahina ny 4 ka hatramin’ny 7 jona. Samy hatao ao amin’ny Kianja National Tennis Center, petit camp Phoenix, avokoa ireo dingana ireo. Tokony hahitana mpilalao efatra vavy sy efa-dahy ny ekipam-pirenena iray, miaraka amin’ny mpanazatra. Hisy lalao ho an’olon-droa sy fihaonana ho an’olon-tokana ny fifaninanana. Anisan’ireo firenena handray anjara amin’ity fihaonana ity i Madagasikara. Andrasana, araka izany, ny ho firafitry ny ekipam-pirenena. Hanan-danja izy ity satria sady fanazarana ny mpilalao amin’ny fifaninanana avo lenta no hiadiana ny anaram-boninahitra. Lesoka ho an’ny mpilalao zandriny mantsy ny tsy fahampiana fihaonana iraisam-pirenena.
Tompondaka




