Voafidy, nandray anjara tamin’ny andiany fahefatra amin’ny fiofanana hahazoana ny mari-pahaizana amin’ny haitarika ara-teknika ny Fifa, ny tale teknika nasionalin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), Rasoanaivo Rado. Fiofanana izay natao tao Paris France, nanomboka ny 9 hatramin’ny 14 marsa lasa teo.
Hotanterahina ny faran’ny volana marsa ho avy izao, any Antsirabe, ny fivoriambe ara-potoan’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Maro ny zavatra horesahina mandritra io fivoriambe io, ao anatin’izany ny tatitra ara-bola sy ara-teknika ary ny ara-moraly. Andrasana eo moa na hahazo fankatoavana avy amin’ny ligy na tsia ny fitantanan’ny FMF tamin’ity taona ity.
Hotanterahina rahampitso ny fifidianana eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny taranja échecs. Kandidà roa no nandefa antontan-taratasy ho firotsahan-kofidina hifaninana amin’izany.




