Nahavita dingana lehibe ny Barean’i Madagasikara nandritra ny lalao fihantsiana, nikatrohana tamin’i Kirghizistan. Nomontsaniny tanteraka ity ekipa faha-103 eo amin’ny filaharan’ny Fifa ity. Azo lazaina ho mihatsara izany ny vokatra azon’ny Barea.
Tontosa ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny Kianja Calista Sport Center de Belek, tany Turquie, ny lalaon’ny Barean’i Madagasikara sy ny ekipan’i Kirghizistan. Fihaonana tafiditra ao anatin’ny datin’ny Federasionina iraisam-pirenena (Fifa) hanaovan’ireo ekipam-pirenena fihaonana fitsapana. Nomontsanin’ ny Barea tamin’ny isa mazava, 5 no ho 2, i Kirghizistan.
Nanantombo teo amin’ny lafiny rehetra ny Malagasy. Porofon’izany, efa nitarika tamin’ny isa 4 no ho 0 ny Barea teo am-pialantsasatra. Ireo mpilalao mpilaravinahitra avokoa no najoron’i Corentin Martins teo am-panombohana, afa-tsy i Rado ihany izay nitana ny toeran’ny vodilaharana havia.
5 mn nanombohana dia efa nahafaty baolina ny Malagasy, tamin’ny alalan’i Arnaud (YaYa). Tsy nionona tamin’izany ny Barea fa mbola nampiditra baolina fanindroany indray i Fontaine, minitra faha-17. Niezaka namaly ihany ry zareo Kirghizistan avy eo, saingy tsara rafitra ny vodilaharana malagasy, nahitana an’i Morgan sy i Eshan, nampian’i Fontaine. Nirindra tsara ihany koa ny teo afovoan’ ny kianja notarihin’i Couturier sy i Rayan ary i Marco. Minitra faha-24, nahafaty ny baolina fahatelo i Waren. 3 mn tsy hialana sasatra nampian’i Couturier izany.
Fizaram-potoana faharoa, hita nitambesatra ny havizanana teo amin’ireo mpilalaon’ ny Barea. Vokany, nampidi-baolina roa ry zareo Kirghizistan tamin’ny alalan’ny «pénalty», tafiditr’i Beknaz, minitra faha-58 sy ny an’i Bektur, minitra faha-62. Efa tany amin’ny minitra faha-79 vao nahafaty ny baolina fahadimy ny Barea. Hitohy rahampitso ny lalao fanomanana ka hifandona amin’i Guiné Equatoriale indray ny Barea.
Tompondaka




