Nifarana ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiofanana hahazoana ny «licence D», ho an’ireo mpanazatra 23 mianadahy mianaka amin’ny taranja handball. Fiofanana nampanaovin’ny manampahaizana avy amin’ny Federasionina iraisam-pirenena (IHF), notarihin’i Khaled. Ankoatra ireo Malagasy, mpikambana ao anatin’ny Federasionina malagasin’ny handball (FMHB), nisy avy atsy Mayottes sy Comores ireo mpiofana. Nambaran-dRatsimandao Andriamanga Herilovasoa, filohan’ny FMHB, fa tanjona ny mba haharaka sy hahafantatra ny lalàna rehetra ny teknisianina malagasy. Nomarihiny fa mbola hahazo ny anjarany koa ny mpitsara. Hisy mantsy ny zava-baovao ho an’ny fifaninanana iraisam-pirenena ka voakasik’izany ny IHF Trophy, sokajy Senior. Nolazainy fa mangataka ny hampiantrano izany i Madagasikara. Mandra-pahatonga izany, eo am-panomanana ny fivoriambe ny federasionina amin’izao fotoana izao. Hifanindran-dalana amin’ny fifaninanam-pirenena, sokajy zandriny izany, izay handraisan’ireo ligim-paritra valo anjara.
Tompondaka




