SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina, anio, ao amin’ny Kianjan’ny Emir Complex, Antalya Sport Torkia, ny lalao ara-pirahalahiana hifanandrinan’ny Barean’i Madagasikara sy i Guinée Equatoriale. Fifanandrinana izay tafiditra amin’ny « Fenêtre Fifa », ary ho fantatra aorian’izany ny filaharan’ny Barea.

Nahazo isa telo indray ny AS Ste Anne, afakomaly, tetsy Iavoloha, raha nifandona tamin’ny ekipan’ny Uscafoot. Lavon’izy ireo, tamin’ny isa 2 no ho 1, ny ekipan’ny kaominina, ary mbola mitana ny laharana fahatelo amin’ny kaonferansy atsimo izy ireo. Raha mbola mahita fandresena iray izy ireo aorian’ity, tafita avy hatrany amin’ny « Playoff »  ny fifaninanana nasionaly « PFL ».

Namiratra ny solontena malagasy niatrika ny “Open d’Afrique de Dakar”, taranja Judo, izay natao ny faran’ny herinandro teo. Nandrombaka medaly volamena i Zo Hajanirina, teo amin’ny sokajy Seniors, latsaky ny 78 kg. Medaly volafotsy kosa no azon’Andrianja­fitsalama Dylan, teo amin’ny sokajy Cadets, latsaky ny 55 kg. Anisan’ny nandray anjara ihany koa i Sanda, teo amin’ny sokajy Seniors, latsaky ny 60 kg, ka nahavita ady nisongadina na tsy nahazo medaly aza.

Partager sur: