Hotanterahina ny alahady 26 avrily ho avy izao, eto Antananarivo, ny hetsika hazakazaka maneho firaisankina. “Course solidaire La vache qui rit” no anarana isalorany amin’ity andiany voalohany ity. Mpandray anjara maherin’ny 3 000 isa no andrasana, araka ny fanambarana nataon’ny mpikarakara, omaly, teny Mahamasina.
Hizara efatra ny fifaninanana. Voalohany, misy ny natokana ho an’ny mpihazakazaka efa matihanina, efa manana karatra. Faharoa, natokana ho an’ny 18 taona, izay samy mirefy 15 km. Fahatelo, ny fifaninanana ho an’ny ankizy teraka ny 2009 sy ny 2010. Hihazakazaka amin’ny halaviran-dalana 4 km izy ireo. Farany, natao hanomezana sehatra ny fianakaviana kosa ny 2 km.
Hiainga eo amin’ny Parvis Analakely ny mpihazakazaka. Handalo eny Ambohidahy, Ampefiloha, Anosy ary mifarana eny Mahamasina. Marihina fa natao hanampiana sy hanavaozana ny hopitaly ho an’ny ankizy, etsy Ambohimiandra ny vola rehetra azo amin’ny hetsika. Efa manana vola natokana hanampiana ny hopitaly ny orinasa Somadis, mpanohana ny hetsika.
Tafiditra amin’ny fandaharanasa “Live and give”, izay mifototra tanteraka amin’ny asa sosialy ny hetsika. Hotolorana akanjo “T-shirt” manokana ireo 1 000 voalohany tonga misoratra anarana amin’ny hetsika. Miara-misalahy amin’ny “Course solidaire La vache qui rit” ny orinasa Somadis sy ny Federasionina malagasin’ny atletisma (FMA).
F.R




