Fandresena sy sahala no vokatra azon’ny Barean’i Madagasikara tany Turquie. Mety hijanona eo amin’ny laharana faha-104 ny ekipam-pirenena malagasy.
Tsy nisy ny nivoaka mpandresy! Nisaraka ady sahala tamin’ny isa 1 no ho 1, ny Barean’i Madagasikara sy ny Nzalang Nacional Guinée Equatoriale, nandritra ny fihaonana ara-pirahalahiana izay natao, omaly, tao amin’ny Kianjan’ny Emir Complex Antalya Torkia. Taorian’ny fandresena 5 no ho 2, azo tamin’i Kirghizistan, dia namarana ny dian’ny Barea tany Torkia ity vokatra ity.
Raha hiverenana kely ny fifanandrinana tany an-toerana, hita nifandanja tsara ny andaniny sy ny ankilany teo amin’ny fitazomam-baolina saingy nanantombo amin’ny fanafihana ny Nzalang, teo amin’ny fidirana voalohany. Ny telo minitra voalohany, nahazo fanafihana tsara ny gineanina mpilalao saingy nidona tamin’ny tsivalamby izany. Tany amin’ny faha-45 minitra, namono baolina ho an’i Guinée Equatoriale, i Loren Zuniga, nitarika 1 no ho 0, ry zareo teo amin’ny fialan-tsasatra.
Tao anatin’ny fidirana faharoa, nisy ny fanovana paikady ho an’i Corentin Martins, mpanazatra ny Barea. Nesorina ry Arnaud sy i Warren Caddy, nampidirina i El Hadary sy Nicolas Fontaine ary i Clément Couturier. Nahitam-bokany izany, nahasahala ny isa tamin’ny alalan’ny “Coup franc” i Rayan Raveloson, kapitenin’ny Barea, ny minitra faha-62. Tsy niova tamin’io ny isa, rava sahala ny lalao, na dia teo aza ny andrana nataon-dry Couturier sy El Hadary ary Nicolas Fontaine.
Tsy niova ?
Taorian’iny vokatra azon’ny Barea tamin’i Kirghizistan sy Guinée Equatoriale iny, nijanona teo amin’ny laharana faha-104 ihany ny Malagasy, araka ny fikarohana natao omaly, tao amin’ny tambajotran-tseraseran’ny Fifa. Hatreto, milaza ity pejy ity fa miandry ny vokatra rehetra vao hivoaka ny filaharana vaovao. Ankoatra izay, niakatra eo amin’ny faha-105 i Guinée Equatoriale ary i Vietnam indray no eo alohan’ny Barea, raha tsy misy ny fiovana farany. Marihina fa anio no hivoaka amin’ny fomba ofisialy ny filaharana vaovaon’ny Fifa.
Fitia Randria




