Ny Course de côte no hanombohan’ny Federation sport-automobile malagasy (FSAM) ny taom-pilalaovana 2026. Hotanterahina ny sabotsy 11 sy ny alahady 12 avrily ho avy izao, eny amin’ny lalana Volomborona ny fifaninanana. Mpikarakara izany ny klioba Asacm. Sambany handray izany fifaninanana izany ity “circuit” ity izay efa nanaovana dingana manokana “ES”, amin’ny rallye. Mirefy 2 km ny halavan’ny lalana hifaninanana. Ny fitsipika mifehy ny federasionina no hampiarina, mandritra ny hazakazaka. Hisy ny andrana tsotra, mialoha ny tena fifaninanana ka miainga voalohany izay manana fe-potoana tsara amin’ny dingana voalohany. Toy izany koa eo amin’ny fanatontosana ny dingana faharoa. Voahosotra ho tompondaka izay manana fe-potoana tsara indrindra amin’ireo dingana hotontosaina ireo. Tsiahivina fa hiaro ny anaram-boninahiny amin’ity Rakotojohary Juan. Ankoatra izay, efa voatendry, ny alarobia lasa teo, ny tale teknika nasionaly vaovaon’ny federasionina, izay hosahanin’i John Patrick (Japah).
Torcelin




